4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba tantanonao ry raiko - Erick Manana

Mba tantanonao ry Raiko

‘Zato làlan-janakao

Ny mifidy toa tsy haiko

Ka maniry indrindra Anao

Hitanao ny aditsaina

Mitambesatra ao an-doha

‚Zany tsikin’ny maraina

Toa ela vao mifoha



Moa diso ny safidiko

Raha mandroso ka mankao

Sa ity làla-nofinidiko

Dia tsy ilay voasoritrao

Tanteraho ny faniriako

O ry Tompo tena tia

Fa ity zavatra iriko

Masina amiko ho doria



Nefa raha tsy izay no didy

Namboarinao ho ahy

Amboary ny safidy

Sy ny ratrako am-panahy

Atolorinao ny hery

Hampijoro izany koa

Ka sitranonao ny fery

Sy ny ratrako ao am-po



                                 Nohirain’i Erick Manana

Partager mba tantanonao ry raiko

Commenter mba tantanonao ry raiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick Manana

Suite